Lezava Fleury

> Kely finoana ny amin’ny hisian’ny fifidianana


  • Zoma 20 Septambra 2013

Kely finoana ny amin’ny hisian’ny fifidianana filoham-pirenena hotanterahina ny 25 oktobra ho avy io ny filohan’ny antoko Harena Lezava Fleury raha araka ny nambarany.

Na izany aza anefa dia nanatanteraka ny fihaonambeny teny Ivato ihany ireo mpikambana ao anatin’ny antoko mba hanehoana fa vonona amin’ny fiatrehana ny fifidianana izy ireo no sady tsy matahotra ihany koa, hoy i Lezava Fleury. Ho azy manokana mantsy dia tsy tomombana ny fepetra hanatanterahana izany fifidianana izany hatreto. Anisan’ireny ny fampianarana ny mpifidy amin’ny fampiasana ny bileta tokana izay tena manahirana tokoa. Mety hiteraka krizy vaovao ho an’ny firenena indray, araka izany, ho an’ny filohan’ny antoko Harena ny fanaovana fifidianana amboletra na dia naniry mafy ny hanatanterahana ny fifidianana azy izy ireo saingy ao anatin’ny fepetra feno, ara-dalàna, manaraka ny tokony ho izy. Ankoatra izay dia nasiany resaka ihany koa ny mikasika ireo kandida izay efa manao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana sahady. Nambarany fa tany tan-dalàna i Madagasikara ary misy fepetra sy fotoanany ny mikasika ny fanaovana ny propagandy saingy ireo tokony ho môdely indray no manaotao foana nefa hitondra firenena. Fanontaniana apetraky ny antoko Harena ny hoe : mbola misy fanjakana ihany ve eto amintsika ? Vahaolana aroson’i Lezava Fleury ny tokony hanohizana hatrany ny ezaka efa nataon’ny FFKM hatramin’izay hivoahana amin’izao krizy lavareny manjo ny firenena izao.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT