Politique

Les As Nanamafy fa tsy nandefa solontena nivory teny Ivato


  • Alakamisy 01 Septambra 2011

Hatairana ny an’ny mpikambana Les AS raha nahita tamin’ny fahitalavitra teto an-drenivohitra fa nisy olona nitonona ho solontenany nandritra ny atrikasa fikatsaham-bahaolana notontosain’ny Raimandreny Mijoro.

 Ity vondrona ity izay nanaraka ny fanapahan-kevitry ny vondrona 6 ka nivoaka ny efitrano fivoriana. Rehefa nohamarinina, hoy i Voninahitsy Jean Eugène dia izany Olivier izany io nampiasa ny anaran’ny Les AS io. Mpikambana ao amin’ity vondrona ity tokoa ity farany araka ny nambaran’i Voninahitsy Jean Eugène ihany saingy tsy anisan’ireo olona folo nandrafitra ny delegasion’ny Les AS tamin’iny fivoriana iny. Manontany tena ny fomba nahafahan’i Olivier niditra tao amin’ny efitrano fivoriana sy nandraisany anjara tamin’ny adihevitra tao ny Les AS noho izany. Rehefa nantsoin’ny birao dia nanambara i Olivier fa nandeha amin’ny anaran’ny tenany manokana fa tsy misolotena ity vondron-kery ity akory. Notsorin’i Voninahitsy koa fa tsy vao sambany akory no nanao fihetsika mivaona toa ireny i Olivier ka efa noroahana mihitsy saingy noraisina ihany rehefa nifona sy niaiky ny hadisoany. Nasaina nametra-pialana indray i Olivier noho ity zava-misy farany ity.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT