Na dia nandrisika hatrany ny hisian’ny fifidianana amin’ity taona 2012 ity aza ny Vondrona Les AS dia mankasitraka ny datim-pifidianana amin’ny 2013 naroson’ny CENI-T sy ny Firenena Mikambana, ny SADC, ny OIF ary ny COI.
Mety tsara ireo daty ireo satria manana valo volana hanamasahana ny fanavaozana ny lisi-pifidianana ny CENI-T, hoy ny Sekretera jeneralin’ny les AS, Ranaivoson Arnaud. Momba ny filazana fa afaka mirotsaka amin’ny fifidianana ho avy ny filoha Ravalomanana noho ny “casier judiciaire”-ny mbola madio dia nilaza ity laharana faharoa ao amin’ny les AS ity fa tsy manana olana amin’izany izy ireo raha toa ka eken’ny fitsarana. “Aleo mihitsy ny fitsarana no hilaza amin’ny fomba ofisialy fa madio eo anatrehan’ny lalàna izy fa hatreto aloha dia mbola ny mpanao politika no naneho hevitra”.
Efa manana kandida amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy solombavambahoaka mirotsaka amin’ny anaran’ny les AS ry zareo, araka ny fanazavany ihany, raha mbola dinihana kosa izay hatolotra na hotohanana amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Nambarany koa fa anjaran’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana no mifanaraka momba ny fandraisan’izy ireo anjara na tsia amin’ny fifidianana filoham-pirenena mandritra ilay dinika andiany faharoa izay tontosaina ato ho ato. “Ho an’ny Les AS, ny zava-dehibe dia ny tsy hikitihana ny tondrozotra na inona na inona fifanarahan’izy mirahalahy any. Izay hametrahana ny fitoniana eto kosa anefa no tokony ho lahadinik’izy ireo amin’io”. Nasiany resaka koa ny fodian-dRtoa Lalao Ravalomanana an-tanindrazana tamin’ny zoma 27 jolay lasa teo izay nokianin’ny mpanao politika maro ny fomba nandroahana azy. Raha ny hevitr’i Arnaud Ranaivoson dia tokony ho nalamina tsara aloha ny resaka momba ny fodiany satria nanana endrika mandrangitra mety ho nanakorontana ireny fihetsiny ireny.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.