Politique

Leriva Manahirana Ravalomanana mody sy milatsaka hofidiana no fantatray


  • Talata 27 Martsa 2012

Hevitra diso ny hoe tsy tafody indray ny filoha Marc Ravalomanana ka mangina, hoy ny CST Leriva Manahirana, omaly tetsy amin’ny Kianjan’ny Finoana Magro Behoririka.

 Ny marina, hoy izy, dia matoky ny SADC sy ny Troika i Dada ary ireo mihitsy no nangataka azy hangina satria manjary lazain’ny FAT sy ny mpomba azy mamaly bontana eo indray izy na manao sakana amin’ny fampiharana ny tondrozotra. Mifandray amin’ny Iraisam-pirenena tsy tapaka ny filoha Ravalomanana ary indrindra amin’ny SADC ary mampita vaovao tsy tapaka ihany koa. Mazava izao fa eo am-pelatanao ry Beriziky ny lalànan’ny famotsoran-keloka ka asehoy fa ianao no Praiministra fa tsy misy minisitra ambonin’ny minisitra izany. Hentitra ny teniny, fa na hisy na tsy hisy tetezamita eo : Marc Ravalomanana mody an-tanindrazana sy milatsaka ihany no fantatray. Ny CT Manoela Ralaimampisainarinony kosa tetsy ankilany dia nitaky ny handefasana mivantana amin’ny RNM sy TVM ny adihevitra mikasika ny lalànan’ny famotsoran-keloka, mba ho hitan’ny Malagasy rehetra manerana ny Nosy.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT