Politique

Leriva Manahirana Hiady hatramin’ny farany ny Ankolafy Ravalomanana


  • Alakamisy 12 Aprily 2012

Henjankenjana ny adihevitra teo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita omaly, manodidina ny volavolan-dalŕna momba ny amnistia.

 Tonga teny rahateo koa ny minisitry ny fitsarana, Razanamahasoa Christine, nitondra fanazavana teknika manodidina ny votoatin’izy ity. Andininy roa, araka ny tati-baovao nataon’ireo Parlemantera avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, teny an-kianjan’ny Magro omaly, no tena niadian-kevitra. Araka ny fanazavan’i Leriva Manahirana, mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita dia tsy hilavo lefona fa hiady hatramin’ny farany ny ankolafy Ravalomanana. Nisy ny fihaonan’ny solontenan’ny ankolafy tamin’ny Troika-SADC ka tamin’izany no nilazan’ity farany fa hodinihana ny soso-kevitry ny ankolafy Ravalomanana momba ny amnistia saingy mila miatrika ny fihaonana ireo Parlemantera.

Nohamafisin’ireo minisitra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, araka ny fanazavana ihany fa tsy ilay lany teo anivon’ny filankevitry ny governemanta iny volavolan-dalàna naroso teo anivon’ny CT sy CST iny ka omaly dia nafana ihany koa ny adihevitra teo anivon’ny filankevitry ny governemanta nanitsiana izany. Nohitsian-dRamarosonarivo Jeanson kosa ny fihetsiky ny minisitra TGV iray izay nitady tsy hanisy adihevitra teo anivon’ny parlemanta. Toeran’ny adihevitra ny Parlemanta, hoy izy, ary ny parlemantera no mpanara-maso ny asan’ny governemanta, ka anjarany ny manontany ny lehiben’ny governemanta fa tsy minisitra no hibaiko ny Parlemantera. Ankoatra izay, momba ny fiverenan-dRavalomanana eto an-tanindrazana dia nambaran-dRamarosonarivo Jeanson, CST avy amin’ny MFM ihany, fa dia misy adihevitra ny momba izany satria efa lalàna ka tsy azo hihodivirana. «Efa raikitra io fiverenana io ka ny daty sisa no andrasana», hoy izy. Raha mbola ao anatin’izao fiaraha-mitantana izao ny ankolafy Ravalomanana, hoy ihany izy, dia tsy hisy mihitsy olona hahavita lalàna hanakanana ny fodian’i Marc Ravalomanana eto Madagasikara.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT