Politique

Leonardo Simao Tonga hanasa atidoha ny mpanao politika


  • Talata 28 Mey 2013

Eto Madagasikara hatry ny omaly tolakandro indray ny iraky ny SADC tarihan’ny Dr Leonardo Simao sy Atoa Nuno Thomas mpanolotsainy manokana. Tafiditra ao anatin’ny fanohizana ny ezaka amin’ny famahana ny krizy sy ny fanomanana ny fifidianana no anton-dian’izy ireo.

 Nanamafy ny maha zava-dehibe ny tsy maintsy hanatanterahana fifidianana mba hivoahana amin’ny krizy i Leonardo Simao teo am-pahatongavany teny Ivato. Tsapa ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy i Madagasikara, hoy izy ka hiresaka ny momba izany amin’ireo vondrona politika nanasonia ny tondrozotra mihitsy no anton-diany eto. Nanamafy hatrany ity diplaomaty Mozambikanina ity fa manohana ny fampiharana ny tondrozotra mba hivoahana amin’ny krizy ny sehatra iraisam-pirenena sy ny vondrona Afrikanina ary ny SADC. Mety haharitra hatramin’ny 3 jona izao ny hijanonan’ireto iraky ny SADC ireto, eto amintsika ary tena ho maromaro ihany ny fihaonana hatrehan’izy ireo mandritra izany fe-potoana izany.

Tsy afaka ny hanava-tena ny SADC fa tsy maintsy mitovy tadin-dokanga amin’ny sehatra iraisam-pirenena, koa raha dinihana izany ny tena marina dia tonga mba handresy lahatra ny mpanao politika Malagasy i Leonardo Simao mba hanaiky fa tsy maintsy misintaka ireo kandida nambara fa tokony hiala, ka anisan’izany i Andry Rajoelina, Lalao Ravalomanana ary Didier Ratsiraka. Ireo mpanao politika ireo indray avy eo no mety hanao fanambarana hoe : rehefa nodinihana sy noho ny tombontsoa ambonin’ny firenena dia mila misintaka ireo kandida nambaran’ny sehatra iraisam-pirenena fa tokony hanao izany. Tsy tonga eto i Joaquim Chissano, saingy efa niteny mialoha fa tsy tokony handray anjara amin’ny fifidianana ireo kandida telo lehibe sy ny kandida hafa nahazo tombontsoa tamin’ny fanovana rafitra tsy nanara-dalàna teto tamin’ny 2009. Ka tsy efa mazava ve izany ny resaka, fa dia ho hita eo indray ny ho fihetsiky ny mpanao politika Malagasy.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT