Politique

Leo politika maloto Hetsiky ny tanora tofoky ny fitiavantenan’ny mpanao politika


  • Talata 22 Novambra 2011

Tofoky ny fomba fanaovana politika Malagasy ny Malagasy maro. Tsy mitsinjo afa tsy ny tombontsoany manokana sy ny an’ny fianakaviana na koa ny antoko misy azy ny ankamaroan’ny mpanao politika.

 Hadino tanteraka ny valalabemandry ary anisan’ny porofo mitohaka amin’ny tendany amin’izany ny nampananosarotra ny fananganana ny governemanta noho ny ady seza. Mbola ao anatin’ny sangodim-panina politika hatrany ny firenena efa telo taona latsaka kely izao. Manoloana izany dia nitsangana ny tambajotra «Leo politika maloto» izay fikambanan’ny tanora mpiserasera amin’ny alalan’ny tambajotra ara-tsosialy amin’ny internet toy ny (facebook, tweeter,…) sy bloggers. Araka izany anarany izany dia tanora leon’ny fitiavan-tenan’ny mpanao politika sy ny halatra maro isan-karazany ataon’ny fiarahamonina politika izy ireo. Ankoatra ny fanakianana amin’ny alalan’ny aterineto amin’ny fampiasana ireo fitaovana fiasany sy fiseraserany ireo (facebook, tweeter,…) dia nanapa-kevitra ny haneho imasom-bahoaka ny firehan-keviny ny «Leo politika maloto» tamin’ny alalan’ny fidianana an-dalambe ny faran’ny herinandro. Maro amin’ireo mpikambana miisa 600 no nilahatra teny Analakely ny sabotsy lasa teo nisalotra akanjo T-shirt mirakitra ny hafatra voiziny. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tsy manana kolontsaina momba ny fanabeazana olom-pirenena mihitsy no tsy miraharaha izay tambiny tokony homeny ny vahoaka ny mpanao politika malagasy. Sady fitsikerana ny fanangolena ara-tsosialy no fanoherana ny kolikoly sy ny fahantran’ny maro an’isa ary fitsipahana ny fanjakazakan’ny firaisambe iraisam-pirenena amin’ny raharahan’ny Malagasy ny hetsika, araka ny nambaran’ny sasany. Dingana voalohany ny zava-nisy tamin’ny faran’ny herinandro teo fa mbola maro ireo hetsika hotontosainy. Ny volana jolay moa no niorina ny «Leo politika maloto».

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT