Nodoran’ny andian’olona ka kila forehitra ny Kaomisarian’ny polisy ao Sainte Marie.
May tsy nisy noraisina avokoa ny antontan-taratasy niaraka tamin’ny fanaka rehetra tao anatiny. Nisy resaka niely fa voasambotra ary tazomina tao ny lehilahy izay ahiana ho namono nahafaty vehivavy iray tamin’ny fomba feno habibiana ka nirohotra tao izy ireo nitaky ny hamoahana azy. Rehefa tsy nahazo valiny dia nisy tamin’ireo olona no naneho ny hatezerany. Na dia may aza ny birao dia niezaka niaro ny filaminana ihany ireo polisy tao ka mba tsy nisy ny naratra. Nialoha an’io ny talata hariva lasa teo no nodoran’ny olona ny Biraon’ny Jirama tao Maroantsetra. Tao anatin’ny 24 ora izany no nisehoan’ireo fahatezerana roa nitarika fandorana ireo. Tsy manome rariny ny fitsaram-bahoaka fa efa endrika sy fipoahana ara-tsosialy ny tahaka izao, ary io efa miseho io ny any amin’ny faritra. Tsy zaka intsony ny delestazy efa ho lava tsy misy vahaolana, dia ireny no miseho. Manindry fo sy miharitra ny ankamaroan’ny Malagasy toy ny eto Antananarivo miaina delestazy hatrany amin’ny adin’ny valo sy tsy fisian-drano. Mety ho feno ihany ny kapoaka ny farany. Maro rahateo ny fahasorenana ateraky ny olana ara-tsosialy ankehitriny. Miampy olana ara-politika toy ny fikorontanana ara-pifidianana ateraky ny hala-bato ohatra, dia mety ho sarotsarotra ny raharaha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.