Feno ny fepetra tokony hanalana ny lehiben’ny faritra Atsinanana, Talata Michel, hoy ny mpiara-miasa akaiky aminy raha nampita vaovao nanazava ny zava-misy eo anivon’ny fitantanana ny faritra any an-toerana.
Efa tamin’ny tetezamita no teo ity lehiben’ny faritra ity. In-droa no nidina tany an-toerana ny filoham-pirenena ary antony lehibe toy ny fanampiana ireo traboina tamin’ny rivodoza Ava no nidinany tany saingy tsy nanotrona ity manampahefana ity, raha nanotrona avokoa ireo tompon’andraiki-pahefana tao amin’iny faritra iny. Tao an-toerana anefa izy, hoy ny fanazavana. Zoma ny fifampiarahabana nahatratra ny taona teny Iavoloha ary sabotsy no fidinan’ny filoham-pirenena tany an-toerana niaraka tamin’ireo tompon’andraiki-pahefana avy aty Toamasina ka tsy afa-miala izy noho izany fa taraiky noho iny fety iny. Tsy misy mahalala ny tetibolan’ny faritra afa-tsy izy sy ny manodidina azy ihany satria tsy mandalo amin’ireo mpanolotsaim-paritra akory, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Tsy mazava ny fandaniana satria tsy misy taratasy. Misy mpiasa mandray saram-pandehanana miisa 25 ao anatin’ny 30 andro na tsy mivoaka akory aza. Misy kaominina 91 sy distrika 17 ao amin’iny faritra iny kanefa ny 70%-n’ireo ben’ny tanàna amin’ireo dia tsy mbola niditra ny biraon’ity manampahefana ity akory, hoy hatrany ny fitarainana voaray.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.