Anisan'ny nanamora ny fahatongavan'ny filoha Ratsiraka Didier teto Madagasikara ireo lehiben'ny miaramila izay saika olona novolavolaina tamin’ny fitondrany avokoa.
Tsy vitan'izany fa olona natokisana tamin'ny fotoana nitondrany izy ireo, toy ny tompon'andraikitry ny FAT amin'izao fotoana izao. Anisan'izany ny lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika, ny jeneraly Ndriarijaona André, RESEP teo aloha ny tenany ary kaomandin'ny kaompania iray mihitsy tamin'izany fotoana teo anivon'ny Régiment de sécurité présidentielle (Resep). Teo ihany koa ny jeneraly Ravalomanana Richard izay nitana andraikitra saropady ihany koa nandritra ny fitondrana Ratsiraka. Izy mantsy no tomponandraikitry ny fikaroham-baovao (renseignements) teo anivon'ny fiadidiana ny praiminisitra fony Tantely Andrianarivo praiminisitra. Mbola nitondra ny galona kapiteny ny tenany tamin'izany.
Ankoatra ireo dia nisongadina koa ny lehiben'ny CMDN amin'izao fotoana izao, dia ny jeneraly Rabarisoa Ranto. Izy indray dia nitana ny andraikitry ny «porte serviette» ny amiraly mihitsy fony ity farany filoham-pirenena. Teo ihany koa ny minisitry ny polisy amin'izao fotoana izao, ny Controleur général Rakotondrazaka Arsène izay niady mafy ho an'ny amiraly mihitsy tany Fianarantsoa nandritra ny fifandonana tamin'ireo mpitolona tamin'ny taona 2002. Saika namoy ny ainy mihitsy ity lasa minisitra amin'izao fotoana ity tamin'izany satria tapaka mihitsy ny tanany. Ireo rehetra ireo, ankoatra izay tsy voaresaka, dia azo ilazana ary manamafy ny zava-nisy omaly teto an-drenivohitra fa nanamora ny fahatongavan'ny deba teto an-tanindrazana ny miaramila sy polisy. Ankoatra izay dia fantatra ihany koa fa nisy fivoriana notontosain'ireo tompon'andraikitra ireo nanomanana iny omaly iny. Mety hanova zavatra, araka izany, eo amin'ny krizy misy eto amin'ny firenena ny fahatongavan'ity filoha teo aloha ity. Izy izay nanizingizina fa ilaina ny loabary an-dasy andraisan'ny filohan'ny ankolafy rehetra sy ny filohan'ny antoko rehetra hamahana ny krizy. Tsy mety hoy izy, raha mbola misy olona any ivelan'ny Madagasikara tokony handray anjara amin'ny fifampiresahana hamahana ny olana eto an-tanindrazana.
Mohamed
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.