Efa karazana fampihomanana ny fampitam-baovao nivoaka taorian’ny filankevitry ny minisitra notanterahina teny Iavoloha omaly milaza fa ho anisan’ny lahadinika amin’ny fotoam-pivoriana manaraka, amin’ny herinandro, ny volavola didim-panjakana manafoana ny fanendrena ireo Lehiben’ny Faritra tsy mahavita azy. Voalaza moa fa dia maro ny fitarainan’ny olona sy ny tompon’andraikitra sy solontenam-panjakana eny anivon’ireny vondrombahoakam-paritra ireny izay voaray ary hita fa mitombina ka dia hisy, araka izany, fanalana amin’ny toerany Lehiben’ny Faritra vitsivitsy na maromaro. Ny an’i Menabe, Ratsimbalson Faharo, tsiahivina ihany, dia kandida filoham-pirenena saingy tsy mbola voatendry ny solony. Ny an’Analamanga no nohamafisina tamin’ny famoahana didim-panjakana ny fanendrena an’Atoa Randriambololona Mananjara ho lehiben’ny Faritra.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.