Politique

Lehiben’ny Faritra Ihorombe Takian’ireo ben’ny tanŕna ny fanalŕna azy


  • Zoma 18 Novambra 2016

Noho ny filazan-dry zareo fa tsy mahay ny asany ny lehiben’ny Faritra ao aminy fa variana mangoron-karena amin’ny fitrandrahana safira any Ilakaka fotsiny, ary noho izy tsy mahay mifandray loatra amin’izy ireo,

dia nanangona sonia entina hanalana ny Lehiben’ny Faritr’Ihorombe am-perinasa, Atoa Mosa Fernand, ireo ben’ny tanàna any amin’ireo kaominina misy ao amin’ity Faritra ity. Fantatra ary fa amin’ireo ben’ny tanàna miisa 31 any amin’ity Faritra ity dia ny 25 tamin’izy ireo no nanao izany sonia fitsipaham-pitokisana izany. Araka ny vaovao marim-pototra voaray any an-toerana  ihany koa dia efa tena lasa alavitra hatrany amin’ny ambaratonga ambony mahefa eto amin’ny firenena mihitsy ity resaka ity ankehitriny ka sarotra ny hieritreretana ny hihemorany indray.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT