Hotanterahina amin’ny alatsinainy 12 desambra ho avy izao ny lanonana hametrahana amin’ny toerany ny lehiben’ny faritra Alaotra Mangoro vaovao, Ranarisoa Desiré.
Filankevitry ny minisitra tamin'ny 18 novambra 2016 no nanendrena azy ho lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro. Ny 2 desambra izy no nandray ofisialy ny asa maha lehiben’ny Faritra azy taorian’ny fifamindram-pitantanana teo aminy sy dokotera Raminoarison Honoré, nodimbiasiny toerana. Mila mifanome tanana ny rehetra ary koa miara-mientana ny daholobe, hoy Ranarisoa Desiré amin'ny fampandrosoana ny Faritra Alaotra Mangoro.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.