Politique

Lehiben’ny Faritra 22 Mbola olon-dRajoelina avokoa


  • Zoma 20 Janoary 2012

Efa mahazatra eto amintsika moa ilay miova sata, miova andriana, rehefa misy filoha vaovao dia miova avokoa ireo tale sy sekretera jeneraly na mpiasam-panjakana ambony anaty ministera sy amin'ny sampandraharaham-panjakana sy ny any amin'ny Faritra rehetra any.

 Rehefa nirodana ny fitondrana Ravalomanana dia niezaka nametraka ny olony amin'ny toerana saropady rehetra ny filohan'ny FAT Andry Rajoelina, na tao anatin'ny fitondrana foibe io na tany amin'ny Faritra. Ankehitriny dia olon-dRajoelina avokoa ireo filohan'ny Faritra 22 manerana an'i Madagasikara, tahaka izany koa ny any amin'ny Distrika sy ny sehatra hafa, tahaka ny fampianarana, ohatra. Tsy mbola hita taratra mihitsy any amin'ny faritra izany hoe fiaraha-mitantana izany fa tena manjaka tokana ny TGV sy ny olon'i Andry Rajoelina. Mbola maro be, araka izany, ny fifandaminana sy fanoloana tompon'andraikitra tsy maintsy atao, izay vao miroso amin'ny fikarakarana fifidianana. Marina fa hajoro ny CENI na Vaomiera mahaleotena mikarakara ny fifidianana, saingy, tsy maintsy hiara-kiasa amin'ny solontenam-panjakana any amin'ny Faritra izy io, na dia amin'ny fandrafetana ny lisi-pifidianana fotsiny aza. Ny ahiahy tsy hihavanana, hoy isika Malagasy, koa raha toa ka ho kandida filoham-pirenena Atoa Andry Rajoelina, dia tsy mety raha ny olony no ho tompon'andraikitra amin'ny fitantanana ny Faritra rehetra. Fiaraha-mitantana izao no atao eto ka tokony ho hita amin'ny rafitra rehetra hitantanna sy handaminana ny firenena io, fa tsy hoe hijanona amin'ny governemanta sy ny parlemanta fotsiny.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT