Politique

Leader Fanilo Vakinankaratra “Ity no tetezamita ratsy tantana indrindra”


  • Zoma 20 Aprily 2012

“Ity no tetezamita ratsy tantana indrindra, sady anjakan’ny jadona sy ny gaboraraka”, hoy i Andriamanjato David, mpandrindram-paritry ny antoko Leader Fanilo Vakinankaratra raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny Hotel Diamant Antsirabe ny tenany omaly.

 Nambarany tamin’izany fa tsy fantatra intsony izay ataon’ireo milaza ho mpitondra amin’izao fotoana satria mpitondra tongatonga ho azy eo amin’ny toerana no misy ka tsy mifanaraka amin’izay fanovana notakiana tamin’ny fitondrana teo aloha no misy. Nohamafisiny fa fanovana rafitra sy fomba fitantanana no nokasaina tamin’ny fanonganana an-dRavalomanana kanefa dia toa izay zavatra nataon’ny teo aloha ihany no ataon’ny mpitondra amin’izao fotoana toy ny fividianana fiaramanidina sy ny fanaovana “yaourt” ataon’ny vadin-dRajoelina, ary aminy dia ratsy lavitra aza ny zava-misy amin’izao fotoana.

Nasian’ity mpitarika ity resaka ihany koa ny mahakasika ilay lalànan’ny famotsoran-keloka ka nametrahany fanotaniana hoe : tolo-dalàna sa didim-pitondrana iny satria raha tolo-dalàna dia tokony ho nisy ny soso-kevitry ny hafa azo noraisina tao, kanefa tsy izay no niseho fa fatin-taratasy no nomena ireo handany azy ka tsy mazava izany ary rehefa lany dia tokony hampiharina fa tsy atao be filaza fotsiny toy ny tondrozotra izay tsy hita ny fampiharana azy hatramin’izao. Fa mbola notsindrian’izy ireo ihany koa ny filazana fa tokony ho ny Solombavam-bahoaka ihany no hanombohana ny fifidianana ka ireo olom-boafidy no mifidy ny Praiminisitra hanangana ny governemanta vao atao ny fifidianana filoham-pirenena, ka ho hita eo izay tena tian’ny olona any ifotony amin’izay, ka nohamafisiny fa ny antoko Leader Fanilo dia efa vonona amin’izay fifidianana rehetra ho avy ary tsy hiaraka amin’ny antoko hafa fa mandray ireo antoko te hanohana azy ka diso, hoy izy ny filazana fa miaraka amin’ny UDR- Fanovana izy ireo.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT