Leader Fanilo Vakinankaratra

> Nesorina ny mpitarika teo aloha


  • Talata 20 Aogositra 2013

Nesorin’ny foiben’ny antoko Leader Fanilo tamin’ny toerany ny mpitantana ny antoko ao Vakinankaratra teo aloha vokatry ny disadisa anatiny nateraky ny fanohanana kandidà filoham-pirenena tsy nankatoavin’ny foibe ka nitarika fivakisan’ny antoko tao Vakinankaratra.

Raha tsahivina dia manohana ny kandidà Hajo Andrianainarivelo ny ekipa notarihin’ny mpandrindram-paritra Randriamanjato David, saingy notsipahin’ny foibe fa ny kandidà Camille Vital no tohanan’ny Leader Fanilo. Tetsy an-daniny dia nirotsaka hofidiana tamin’ny fikambanana Alefa Hery Zo indray ity mpitarika ity ka mbola nolavin’ny foibe ihany ka dia niafara amin’ny fampiatoana azy tsy hitantana ny antoko ao Vakinankaratra izany. Atoa Andriamanankieferana Minoarison indray no voatendry hitantana ny fandrindrana ny antoko ao Vakinankaratra. Nampahafantatra, araka izany, ity tompon’andraikitra vaovao ity fa tsy misy olona afaka mitondra ny anaran’ny antoko intsony na manao hetsika ivelan’ny fahazoan-dalana avy aminy manomboka izao. Fantatra fa ho kandidà amin’ny fifidianana solombavambahoaka amin’ny anaran’ny antoko ny tenany ka ny 06 aogositra lasa teo no nametrahany ny filatsahan-kofidiana tao amin’ny biraon’ny CED Antsirabe I.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT