Mitsipaka ny fikitiana ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4 ankehitriny io izahay, hoy ny antoko Leader Fanilo tarihan’Atoa Rabesa Zafera Antoine miaraka amin-dry Lalaina Berthnès sy Randrianambinina Alphonse.
Aleo aloha hotontosaina amin’io ny fifidianana ho filoham-pirenena Malagasy vaovao mety hatao amin’ny taona 2018, hoy izy ireo, mba tsy hiteraka savorovoro. Andraikitr’izay filoha ho lany eo ny manova an’io raha misy ilana azy any aoriana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.