Politique

Leader Fanilo Mihetsika ireo tanora


  • Alarobia 16 Novambra 2011

Mihetsika mafy ny sampana tanora ao amin’ny antoko Leader Fanilo amin’izao fotoana izao, indrindra fa hatramin’ny nanendrena ho Praiminisitra an’i Omer Beriziky

 Ny sabotsy 12 novambra teo dia nanatontosa fivoariana tao Antsirabe tao Tsihitamaso ireto mitonona ho Leader Fanilo Junior ireto, notarihin’Atoa Mahosindrahaja Hery Babala. Anisan’ny voalaza nandritra izao fihaonana izao moa ny fankasitrahana ny naha praiminisitra an’Atoa Beriziky Omer sy ny firesahana ilay antsoina hoe: “etika politika”. Ny fametrahana ilay sekoly politikan’ny antoko iraisam-paritra no fomba iray entin’izy ireo hanamafisana sy hitaizana ary hanefena ireo tanora mpanao politika mba ho mendrika sy hanana ny fahamatorana ara-politika. Anisan’ny takian’ireto tanora Leader fanilo ireto ny hanaovana ny fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fifidianana rehetra ahitana ireo antoko politika tena mijoro marina sy mahazaka olona eto amin’ny firenena fa tsy be resaka fotsiny. Raha ny fantatra dia ny taona 2008 no nijoroan’ity sampana ity tao amin’ny antoko Leader Fanilo ary efa Distrika 90 no misy azy eto Madagasikara.
Caius Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT