Hanatanteraka filankevitra nasionaly eto Antananarivo ny antoko Leader Fanilo, ny 22 sy 23 jolay ho avy izao.
Mpizaika 200 mahery avy amin’ny lafivalon’ny Nosy no andrasana eto an-drenivohitra amin’io. Voahaja ny fepetra takian’ny sata sy fitsipika mifehy ny antoko tamin’ny fanaikana io filankevitra nasionaly io ary efa tomombana avokoa ny fanomanana, araka ny fanazavan’i Mahosindrahaja Heriniaina na Babala, mpandrindra nasionaly ny antoko mikarakara ity filankevitra nasionaly ity ary nohamafisin’i Andriamarisatrana Noel sy Randrianambinina Alphonse ihany koa. Nanamafy ireto tompon’andraikitra eo anivon’ny Leader Fanilo ireto fa ny andro voalohany amin’io filankevitra nasionaly io no handinihana ny raharaha anatin’ny antoko sy hifidianana ny Birao hitantana ity antoko naorin’i Herizo Razafimahaleo ity, ao anatin’ny dimy taona ho avy, handimby ny birao notarihin’i Rakotomamonjy Jean Max, izay efa nihantona tamin’ny andraikiny eo anivon’ny antoko rahateo. Mandritra izany ihany koa hanomezan’ny antoko ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena. Mikoropaka Rakotomamonjy Jean Max, fa mety hitsikafona mandritra io filankevitra nasionaly io avokoa ireo olana nosedrain’ny antoko sy ny mpikambana ao anatiny, nandritra ny fe-potoana nitantanany ny antoko. Mety izay no nanosika azy hitory an’i Babala ho misandoka andraikitra ho mpandrindra nasionaly, ka mitaky ny hampitsaharany ny fampiasana ny mari-pamantaran’ny antoko Leader Fanilo ary koa mitaky ny hampitsaharana ny fanatanterahana ny Filankevitra nasionaly hatao amin’ny faran’ny herinandro ho avy io. Voalahatra hotsaraina omaly teny amin’ny efitrano faha-34 mikasika ady madio ny raharaha. Tsy tonga Rakotomamonjy Jean Max, mpitory fa mpisolovava no nisolotena azy teo anatrehan’ny Fitsarana. Tonga teny an-toerana niaraka tamin’ny mpisolovava azy kosa i Babala. Raha misy olana politika dia vahaolana politika no amahana azy, hoy ity farany. Noraisin’i Babala ho famakiana ady aminy izao fitorian-dRakotomamonjy Jean Max azy eny amin’ny Fitsarana izao. Matoky ny Fitsarana izahay, hoy i Babala, notronin-dry Andriamarisatrana Noel sy Randrianambinina Alphonse. Rahampitso zoma no hamoaka didy mikasika ity raharaha ity ny fitsarana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.