Nifarana niaraka tamin’ny didim-pitsarana nivoaka ny zoma 15 jolay 2016 teo ny fifandroritana mikasika ny «Libéralisme Economique et Action Democratique pour la Reconstitution Fanilo»,
hoy ireo mpikambana mandrafitra ny «Bureau National Coordonateur » an’ny antoko politika omaly teny amin’ny foiben-toerany Ampasanisadoda. Iray ary tokana ny Leader Fanilo, araka ny fanamarihana avy amin’ny birao nasionaly mpandrindra. Ity farany ahitana ny filoha lefitra mpanorina, ireo mambra ny BNC, ireo olom-boafidy isan-tokony toy ny loholona, solombavambahoaka, ben’ny tanàna sy mpanolotsaina ary ireo mpitantana eny anivon’ny faritra sy distrika ihany rahateo no manan-jo sy fahefana manomana sy mikarakara ny Filankevitra nasionaly, raha ny voalazan’ny sata mifehy ny antoko ao amin’ny andininy faha-11. Midika izany fa tsy afaka mampiasa ny anarana sy ny sary famantaran’ny antoko intsony ireo mpikambana nania. Fikambanana politika manome lanja ny fihavanana moa ny Leader Fanilo ka miantso ireo namana nania hanatevin-daharana sy hanabe voho ny antoko, hoy ny filoha lefitra mpanorina Toto Alphonse.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.