Hanatanteraka Filankevi-pirenena mandritra ny roa andro eto Antananarivo ny antoko Leader Fanilo ny 15 sy 16 jolay ho avy izao.
Ho ambohipihaonan’ireo tompon’andraikitra sy olomboafidin’ny antoko amin’io fotoana io, araka ny fanazavan’i Mahosindrahaja Heriniaina na Babala, mpandrindra teknika nasionaly mitantana vonjimaika ny antoko, nanomboka tamin’ny 30 febroary 2016 izay nomena iraka hanomana ny fanatanterahana io Filankevi-pirenen’ny Leader Fanilo io. Araka ny fanazavan’i Babala dia mandritra io Filankevi-pirenena io no handaminana ny raharahan-tokantranon’ny antoko ka hifidianana ireo mpikambana handrafitra ny birao nasionalin’ity antoko najoron’i Herizo Razafimahaleo, ity hitantana mandritra ny dimy taona. Mandritra io Filankevi-pirenena io ihany koa no handinihan’ny mpizaika ny raharaham-pirenena, ka hamoahan’ny antoko ny heviny. Aorian’io, hoy hatrany i Babala dia hiverina amin’ny fanaony politika, manaraka ny etika, araka ny nitondran’i Herizo Razafimahaleo azy ny Leader Fanilo rehefa nangina tao anatin’ny roa taona izay. An-dalam-panantanterahana Filankevi-paritany ny antoko amin’izao. Faritany efatra no efa vita, dia i Mahajanga, Antsiranana izay natao tany Nosy-Be, Toliara ary Antananarivo izay natao tao Antsirabe, ka nifidianan’ireo mpiandraikitra an’i Lalaina Berthnès ho filoha mpandrindra ny Leader Fanilo Faritany Antananarivo. Nanavao ny fanekeny hanaja ny soatoavin’ny Leader Fanilo araka nananganana azy 24 taona lasa izay, ireo mpikambana, nandritra ny Filankevi-paritany, hoy i Lalaina Berthnès anisan’ny mpikambana mpanorina ny antoko tamin’izany, ary efa filohan’ny Filankevitry ny tanànan’Antananarivo, fony Guy Willy Razanamasy, nitantana ny tanàna. Nanamafy izany i Babala fa dia hiverina amin’ny heriny tanteraka ny Leader Fanilo aorian’io Filankevi-pirenena hatao amin’ny volana jolay io.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.