Nitsangana ny vovonana politika ahitana ny Leader Fanilo, AVI, MDM, ary ny MTS, izay nilaza fa vonona hanohana ny vina Fisandratana 2030.
Ao anatin’ny fiafaran’ny fitondrana Rajaonarimampianina ny namoronana ity vina hampisandratana ny firenena ity, izay midika fa hoenti-mandresy lahatra ny olona hanohana ny HVM indray amin’ny fifidianana. Ireo antoko politika efa ao anaty fitondrana ireto nanambara ny fanohanany ireto, izay niainga tany amin’ny fanohanana an-dRajaonarimampianina tamin’ny fihodinana faharoan’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny taona 2013 ny sasany. Anisan’ireny i Roland Ratsiraka sy Pierrot Rajaonarivelo. Ny Leader Fanilo kosa, dia nampivaky azy ny niarahan’i Jean Max Rakotomamonjy tamin’ny HVM, ka nanosehana azy ho filohan’ny Antenimieram-pirenena taorian’ny nanonganana an’i Christine Razanamahasoa. Tsy tena namana aloha izany ireo, fa azo sokajiana ao anatin’ilay hoe mpikarama an’ady politika, ka miankina amin’ny seza sy ny tombontsoa no hanohanana olona na foto-kevitra iray. Tsaroan’ny maro tsara, ohatra, ny rahom-bava sy ny fanambarana nataon-dRoland Ratsiraka tamin’ireny propagandin’ny fihodinana faharoa tamin’ny taona 2013. Nambarany fa “hery tonta” i Hery Rajaonarimampianina, izay nambara ho Hery vaovaon’I Madagasikara tamin’izany. Nolazainy mihitsy fa manana ny dosie maloton’ny filoha ankehitriny izy, saingy tsy nisy tohiny intsony izany rehefa nahazo seza sy tombontsoa. Lojika raha tsy ho tena namana fa baikon’ny tombontsoa politika ary maro amin’ireo mpiara-dia amin-dRajaonarimampianina no tahaka izany amin’izao. Lojika raha tsy dia sahy mandray fanapahan-kevitra firy ny filoha noho ny fiahiahiana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.