Politique

«Le Grand Pardon» Hany vahaolana ho antsika, hoy i Nary Ravonjy mpanao gazety


  • Alatsinainy 29 Aogositra 2011

Efa nanomboka ny taona 2006 ny namana mpaka sary an-gazety Nary Ravonjy no nanoratra sy nanambara ny atao hoe fifamelana.

Efa nentiny tamin’ireo mpitondra maro teto amin’ny firenena na eto an-toerana na ny any ivelany io teny io ary mbola novelabelariny tamin’ireo namany mpanao gazety teny Ambatonakanga indray tamin’ny takarivan’ny zoma teo. Tsy nandeha irery anefa izy tamin’ity indray mandeha ity fa dia nampian’ny Pasitera Ravoavy Ravatomanda. Nangataka àry izy mianaka ireto ny mba hifamelan’ireo Filoha mpitantana efatra mirahalahy, indrindra fa ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny Filohan’ny Tetezamita amin’izao fotoana izao. Zava-dehibe ny fifamelana ary ny Malagasy samy Malagasy ihany no mahay mifamela, hoy izy ireo. Isika Malagasy dia fatra-mpandala ny Fihavanana ka tokony hisy izany, hoy ny Pasitera Ravoavy sy Nary Ravonjy ny fihaonana an-databatra boribory izay tokony hatao eto Madagasikara ihany. Notsindrian-dry zareo ihany koa fa rehefa mendrika ny Filoha dia mendrika ny Malagasy ary raha vita tanteraka izany fifamelana izany dia mandeha ho azy ny fifidianana kasain-katao.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT