Politique

Lazaina Avaradrano Niray latabatra tokoa ireo ankolafy tsy mitovy hevitra


  • Alatsinainy 29 Aogositra 2011

Niray latabatra ara-bakiteny tokoa rehefa samy namaly ny fanasan’ny fikambanana Zana-dRanavalona teny amin’ny lanonana nokarakarain-dry zareo teny Lazaina Avaradrano omaly, ireo mpikambana avy amin’ny ankolafy tsy mitovy hevitra eto amin’ny firenena ankehitriny.

Lanonam-pikoranana sy fiaraha-misakafo ho fitadiavam-bola hoentina miatrika ny Alahamady na taom-baovao malagasy ankalazaina anio eny Anosimanjaka ity natrehana ity. Tazana teo amin’ny latabatra ofisialy teo an-kavanan’ny filohan’ny Zana-dRanavalona nivantana, ohatra, ny mpikambana ao amin’ny  Filankevitra  ambonin’ny tetezamita Rasamoelina Harinaivo sy Rtoa vadiny ary teo an-kaviany nivantana i Tabera Randriamanantsoa mivady izay nisolotena ny mpanjaka Levelo Boniface sady niaraka tamin’ny delegasiona Zafy Albert, nifanila ihany koa tamin’ny Printsy Kamamy ary ny Pr Miandrisoa Marcel sady nisolotena ny Mpanjaka Antanosy  izy no nitarika ny ankolafy Zafy Albert sy nanolotra fanomezana avy tamin’ity farany ihany koa. Tsy lavitra teo no nahitana an’ny Me Hanitra Razafimanantsoa, nisolotena ny an-kolafy Ravalomanana tamin’ity hetsika ity.

Samy nivoy fihavanana avokoa ireo olona notanisaina teo ireo ka nilaza fa rehefa Asaramanitra tahaka izao dia mifanatona ny rehetra, mifamela ary mamitrana fihavanana fa izay no hitoeran’ny hasin’i Madagasikara. Dia samy nanipika ihany koa fa misy ny tia tena tsy mikaroka ny mahasoa ny vahoaka ary tsy miaina amin’ny fitiavan-tanindrazana. «Fa rahampitso ihany», hoy ny feo heno teny Lazaina, «raha manaiky mifampiresaka an-kitsim-po ny rehetra dia mihavana ny Malagasy rehetra, fa ny tavan-drahalahy mandranitra ny tavan-drahalahy». Afa-po amin’ny hetsika ry zareo Zana-dRanavalona raha ny filazan’ny filohany ary nanipika fa anjara birikin-dry zareo amin’ny fampihavanana ny Malagasy ny hita maso teny Lazaina ka nampiray latabatra ireo tsy mitovy hevitra, nampiaraka azy ireo tamin’ny filanonana ary nifampizara tamin’izy ireo ny nofon-kena mitam-pihavanana.

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT