Politique

Laza Razafiarison Naverina eny Antanimora, miandry didim-pitsarana


  • Sabotsy 27 Jolay 2013

Vita omaly tetsy amin’ny efitra faha-6 amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany etsy Anosy ny fihainoana ny Sekretera jeneralin’ny antoko Avotra ho an’ny Firenena sady kandida filoham-pirenena Laza Razafiarison sy ireo fito lahy nosamborin’ny Emmo-Reg niaraka taminy tetsy Analakely ny talata 23 jolay teo.

 

Naharitra ora telo mahery ny fihainoana azy valo ireo. Rehefa nisintona ny fitsarana dia nilaza fa amin’ny alatsinainy 29 jolay no mivoaka ny didy ary dia naverina eny Antanimora izy ireo. Efa nampoizin’ny maro ihany ny tsy namoahana didim-pitsarana omaly ka mbola namerenana azy ireo eny am-ponja noho ny resabe niniana aely fa misy mikotrika “Sabata Mainty” eto Antananarivo Renivohitra amin’ity anio ity. Tsiahivina fa fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana ary ny mbola fiziriziriana na efa nomen’ny mpitandro ny filaminana fampitandremana aza no vesatra iampangana azy valo lahy ireto. Nanamafy anefa ny fiarovana an’ity kandida ity fa vao nigadona teny Analakely ny olona arovany dia nosamborina, ka tsy nisy fampitandremana izany. Ary tsy vao izao fa hatramin’ny 1971, 1991, 2002, 2009 no nisy nitarika olona teny Analakely nefa tsy nahazo alalana. Andrasana, araka izany, izay didy hivoaka amin’io alatsinainy io. 

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT