Roa volana sazy mihantona.
Io no didy navoakan’ny fitsarana ambaratonga voalohany teto Antananarivo, omaly, manasazy ny Sekretera jeneralin’ny antoko Avotra ho an’ny Firenena sady kandida filoham-pirenena, Laza Razafiarison sy ireo fitolahy voasambotra niaraka tamin’ny teo Analakely ny talata 23 jolay. Anisan’ny niampangana azy ireo ny fanaovana fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana, fanohintohinana fifamoivoizana sy fiainam-bahoaka ary koa ny mbola fisisihana na efa nomen’ny mpitandro ny filaminana fampitandremana aza. Milaza ny hampakatra ny raharaha any amin’ny fitsarana ambony moa ny fiarovana ity kandida ity, hanafoanana io didy io mba tsy ho sakana amin’ny fiatrehany ny fifidianana. Ny ankamaroan’ireo mpandinika politika kosa etsy ankilany dia mihevitra fa fampitandremana ireo mpanao politika mikasa hanao fihetsiketsehana na haneho hevitra politika iny sazy nomena an’i Laza Razafiarison iny. Natao sorona ity farany, na dia mifanohitra amin’ny demokrasia ary koa manohintohina ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra aza ity didy ity.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.