Politique

Laurent Ramaroson Tokony hanana fahamendrehana ny mpanao fandaharana amin’ny onjam-peo


  • Alakamisy 26 Janoary 2012

Samy manana ny andraikiny ary samy manana ny asany ny mpanao gazety sy mpanao politika, hoy ny CT Ramaroson Laurent (AVI).

 Izahay taloha amin’ny maha solombavambahoaka dia niezaka nitady fomba hifandraisana amin’ny vahoaka isan’andro, hoy izy. Izahay voafidy amin’ny maha mpitondra tenin’ny vahoka anay dia miezaka mifandray mivantana amin’ny vahoaka amin’ireny antso an-tariby ampidirana ny mpihaino ireny. Arakaraka ny zavatra dinihana ao amin’ny Antenimiera dia miezaka maka ny hevitry ny vahoaka izahay hoentina ao anaty adihevitra ka rehefa misy fanapahan-kevitra tapaka dia taterinay amin’ny onjam-peo amin’ny vahoaka indray izany. Niresaka nivantana tamin’ny mpifidy izahay raha fintinina, maka ny heviny, manao tatitra aminy ary miezaka ihany koa amin’ny maha olomboafidy anay mitaiza ny olona araka izay fomba fijerinay azy. Tsy nitonona ho mpanao gazety mihitsy izahay tamin’izany satria hafa mihitsy ny asan’ny mpanao gazety manao fandaharana amin’ny onjam-peo. Tokony hipetraka amin’ny maha-mpanao gazety azy izy. Tokony hanana fahamendrehana rehefa manao io asa fanentanana amin’ny onjam-peo io na iza na iza. Izay indrindra no antony nanajanonanay ny fandaharana Aoka hazava tao amin’ny Radio Ravinala rehefa tsy solombavambahoaka intsony izahay.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT