Aminay amin’ny maha tia tanindrazana, aleo tonga dia tenenina hoe : mahamenatra ihany ny hitsangana amin’izao fotoana izao amin’ny maha mpanao politika ny tena satria ilay fanaovana politika eto amin’ny firenena, dia lasa resaka fifankahalana, fiandrasana kendry tohana,…
hoy Rafanomezantsoa Rochel, filoha nasionalin’ny antoko FMDD (Faneva de Madagascar pour le Développement et la Démocratie). Manao antso avo amin’ireo loholona na teo aloha na taty afara, miampy ireo mpahay lalàna handray andraikitra, ary indrindra ny filohan’ny Antenimierandoholona Rakotomanana Honoré izy ireo. Rariny sy hitsiny loatra ny hampahafantarana ny vahoaka Malagasy ny lalana hizorana amin’ny tany tan-dalàna. Mora ny fampihavanana ny firenena rehefa mivondrona ny herin’ny Malagasy rehetra, indrindra ianareo Loholona. Mampalahelo ankehitriny ny mijery ny firenena Malagasy, ka miangavy anareo izahay ary mbola miantso anareo hizotra tanteraka ho any amin’ny fampihavanana an’ity firenena ity, hoy Rafanomezantsoa Rochel. Amin’ny maha mpahay lalàna anareo dia mba toroy sy ajoroy eto amin’ny firenena izany tena Malagasy mahay mitondra ny firenena izany, hoy izy. Hanao tari-dalana voalohany izahay hijoroanareo, ary hiaraka hifandinika isika hampandrosoana ny firenena. Milaza mety hanana olona hotohanana amin’ny fifidianana ny FMDD, saingy miangavy famondronana ny hery hiaraka hifanampy, ka tokony hifampidinika sy hifampiresaka hanarina ity firenena ity aloha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.