Ora sisa no isaina dia haneho ny safidiny amin’ny alalan’ny fandatsaham-bato ho an’ny filoham-pirenena vaovao amin’ireo kandida mifaninana ho amin’izany toerana sarobidy izany ka homeny ny fitokisany ireo olom-pirenena malagasy feno taona.
Hifarana tsy ho ela rahateo ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra fandresen-dahatra ireo mpifidy nandritra ny 30 andro notanterahan’izy 33 mianadahy manerana ny Nosy. Raha ny tarehimarika ofisialy farany navoakan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita dia 7.823.350 no isan’ireo mpifidy malagasy feno 18 taona mananjo hanatanteraka ity adidiny masina ity ny zoma 25 oktobra 2013. Misongadina amin’ny habetsahan’ny mpifidy ao aminy ny faritanin’Antananarivo izay mitana ny laharana voalohany amin’ny salan’isa 35% na 2.732.676 ka ny faritr’Analamanga sy Vakinankaratra no ahitana mpifidy maro indrindra izay mahatratra 1.540.565 sy 701.711 isanisany. Aorian’Antananarivo no misy an’i Toamasina sy i Fianarantsoa izay misy mpifidy 1.220.282 sy 1.169.747 ka miavaka amin’ireo faritaniny roa ireo ny faritra Atsinanana sy faritra Matsiatra Ambony. Ny faritanin’i Antsiranana no kely indrindra ireo mpifidy ao anatiny satria dia eo amin’ny 549.924 monja. Raha eo amin’ny faritra indray dia i Melaky ao amin’ny faritanin’i Mahajaga no mitana ny laharana farany izay manana 93.964 mpifidy. Tsara ihany ny mampahatsiahy fa miisa 20.001 ny birao fandatsaham-bato manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. 5.000 no mpanara-maso teratany Malagasy avy amin’ny fiarahamonim-pirenena sy ny Croix-Rouge eto an-toerana. Hanampy azy ireo ihany koa ny mpanara-maso vahiny miisa 800 izay hijery akaiky ny fizotran’ity fifidianana filoham-pirenena hivoahana amin’ny krizy lavareny ity ka 200 amin’ireo dia avy amin’ny SADC raha maherin’ny zato kosa no nalefan’ny Vondrona Eoropeanina ankoatra ireo fikambanana iraisam-pirenena sy firenena mpiara-miasa amintsika.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.