Politique

Lasa i Giovanna Nandraingiraingy izay nolalovany


  • Alarobia 15 Febroary 2012

Lasa namela takaitra i Giovanna, ilay rivodoza voasokajy ho mahery vaika vao namakivaky an’i Madagasikara farany teo.

 Toa an-dry Honorine, Geralda, Gafilo dia nampitondra faisana tamin’izay tanàna nolalovany i Giovanna. Sady nahery vaika ny rivotra nentiny no be velarana nitondra rotsak’orana. Olona maty, trano rava, tondra-drano, lalana tapaka, fiara potika, voly simba … no naterany tao anatin’ny 16 ora namakivakiany an’i Madagasikara. Ny talata maraina tamin’ny sivy ora no voalaza fa nandalo an’Antananarivo ny foiben’ilay rivodoza Giovanna rehefa niditra an-tanety tao amin’ny Distrikan’i Brickaville, Faritra Atsinanana. Nahery dia nahery ity rivodoza ity, satria dia nitondra fahapotehana maro, trano maro no rava, tao ireo tafontrano nentin’ny rivotra, toy ny nahavoa ny fiangonana Fjkm Ambohimanandray. Maro ny fananan’olona potika, ao ireo lalana, tamboho sy rindrina nihotsaka toy ny teny Analamahitsy. Maro ireo hazo tapaka teny amoron’arabe hita teny Ankorondrano, Ambohijatovo, Ambohitrarahaba sy Nanisana, Soamanandrariny … Niakatra ny rano toy ny tetsy Besarety sy Andravoahangy satria dia naharitra ora telo mihitsy vao azo nandehanana ny lalana. Azo lazaina fa tsy latsa-danja ny amin’izany ny teny amin’ny faritra iva. Naharitra ny fahatapahan-jiro sy ny rano nandritra io talata io tamin’ny faritra maro teto an-drenivohitra, nipaka hatrany Antsirabe sy ny Faritra Itasy iny. Tetsy Andravoahangy ambony dia taribin’ny Jirama no tapaka ka nianjera tamin’ny tany ary anisan’ny mety nitarika ny fahatapahana maharitra tamin’ny faritra maro manodidina io. Hita kosa anefa nandritra io talata io fa nanaraka ny fanambarana izay navoakan’ny fanjakana avokoa ny olona satria dia zara raha nisy ireo nandeha teny amin’ny arabe. Toerana maro  toa an’Ampasampito mihazo an’i Mahazo, Anosizato, Nanisana no nahitana andrin-jiro nianjera. Ankoatra izay dia olona fito no mbola nifamonjena tamin’ny 11 ora antoandro teny Sabotsy Namehana fa tavela teny anaty tanimbary difotry ny rano. Efa maty ny iray tamin’ireo nandritra ny fandalaovanay teny an-toerana, saingy mbola eo am-pitadiavana hevitra ny amin’ny famonjena azy ireo ny mpamonjy voina. Tany Brickaville (Atsinanana), dia olona telo no fantatra fa namoy ny ainy vokatr’iny rivodoza iny. Potika hatrany amin’ny 80% ny tanàna. Nisy iray maty nianjeran’ny trano koa tao Ambodiakondro Moramanga (Alaotra Mangoro), izay tombanana hatrany amin’ny 50% ny fahavoazana, ary roa hafa maty tsy tra-drano tao Andriba Maevatanana (Betsiboka), nidabohan’ny hazo. Tatitra vonjimaika ihany ireo.

Nanararaotra

Raha ny fanambarana nivoaka dia natsahatra avokoa ireo asa rehetra ary tsy nisy ny birao nisokatra tamin’io talata io. Voahaja izany tamin’ny ankapobeny ka nanomboka ny maraina dia tsy nisy mpivarotra nisokatra, na dia ireo mpivaro-kena teny amin’ny Pavillon Analakely aza. Ireo izay zara raha manongilana varavarana kosa anefa dia manararaotra amin’ny vidin’entana ka nampiakatra izany teo amin’ny ariary zato na roanjato teo. Nilaharana ihany koa ny tobin-dasantsy tetsy amin’ny Total Ambatomitsangana satria matahotra ireo mpamily sao hitohy ny andro ratsy ka hisy fiantraikany amin’ny solika. Ireo fiara mpitatitra rahateo dia tsy nisy niasa ny marainan’io, tsy noho ny tsy fisian’ny solika anefa fa dia noho ny haratsin’ny andro ihany.

Talata tamin’ny mitatao vovonana vao nisava kely ny andro teto Antananarivo, ary nanomboka nivoa-drindrina nizaha ny mety ho fahavoazana ny mponina. Nivoaka an-dranomasina tany amin’ny Distrikan’i Belo Tsiribihina, Faritra Menabe, i Giovanna ny tolakandro tamin’ny efatra teo, saingy nataony nandraingiraingy izay tanàna nolalovany.

Yves

Sary : Fiaran’ny filohan’ny federasionan’ny taranja tolona nidabohan’ny hazo teny Ankatso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT