Mahagaga sy mahatalanjona ny depiote Malagasy fa ao anatin’ny fivoriana ara-potoana faharoa handinihana ny tetibolam-panjakana 2018 sy volavolan-dalàna vitsivitsy hafa izay misy tena goavana tahaka ny momba ny fananan-tany dia mbola maro ihany no tsy tonga mivory.
Depiote 77 amin’ny 151 no tonga nivory teny Tsimbazaza omaly talata. Nankaiza avokoa ny 74 ambiny ? Izany ve no atao hoe solombavambahoaka ? Dia misy sahy hiteny indray ve ny depiote sasany hoe raikitra tamina raharaha tsy azo nialana na sanatria hilaza fa mbola nanao fitetezam-paritra ? Azo itarafana ny tsy fahamatorana eo amin’ny fanaovana politika sy ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny ankapobeny. Rehefa resaka fitsipaham-pitokisana na fanonganana praiminisitra na resaka momba ny tombontsoa manokana anefa dia feno ny trano fivoriana eny Tsimbazaza, satria mety mandeha tokoa angamba ny resaka malety feno vola izay mahatezitra ireo depiote ny firesahana azy io.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.