Nifarana omaly ny fetra fahafaha-manatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho depiote teo anivon’ireo OVEC manerana ny nosy.
Isan’ny mbola mifantoka ao an-tsain’ireo mpanara-baovao mikasika izay resaka antenimieram-pirenena izay indrindra ireo seho nanaratsy endrika ity rafi-panjakana ity tao anatin’ny taom-piasana farany teo. Ho jerena fotsiny ve ireny, hoy ny ben’ny tanànan’i Mahereza, Jhonny Rakotoarisoa, izay kandida ho depiote ao Ambohidratrimo ihany koa. Ataoko fa tsy mety, hoy izy. Fahefana mpanao lalàna ny antenimieram-pirenena ary zava-dehibe ny hoe mba tena hitondra fanovana eto amin’ny firenena mba tsy ho antenimiera feno kolikoly sy seho mamoha henatra toy ireny intsony ny antenimieram-pirenena. Efa mila havaozina rahateo ny lalàna mba hifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny, hoy hatrany ity kandida tsy miankina amina antoko ity, fa tsy lalàna efa tsy mety afa-tsy hatreo amin’ny taona 1962 no mbola hampiarina eto. Aleo samy ho tsarain’ny tantara izay kandida depiote ho lany ka ho hita eo izay tena nitatitra ny hetahetam-bahoaka tao anatin’ny 5 taona.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.