Politique

Lapan’ny Loholona Anosikely Volavolan-dalŕna 4 no lany omaly alarobia


  • Alakamisy 15 Desambra 2016

Ho fampandrosoana an’i Madagasikara dia lany teny amin’ny Antenimierandoholona, ny alarobia 14 desambra 2016, ny Volavolan-dalŕna laharana faha-047/ 2016 tamin’ny 29 novambra 2016 ho fanomezan-dalana ny fifanarahana fampindramambola hamatsiana ny tetikasa ho fanatsarana ny Seha-panjakana na PAPSP ;

 

 ny Volavolan-dalàna laharana faha-048/2016 tamin’ny 29 novambra 2016 ho fanomezan-dalana ny fifanarahana fampindramambola hamatsiana ny Fandaharan’asa hanavaozana ny Sehatry ny Angovo na PARSE ; ny Volavolan-dalàna laharana faha-049/2016 tamin’ny 29 novambra 2016 ho fanomezan-dalana ny fifanarahana fampindramam-bola ny Fandaharan’asa fampandrosoana hisian’ny fitoviana eo amin’ireo Tanàn-dehibe eto Madagasikara na PADEVE ary ny Volavolan-dalàna laharana faha-050/2016 tamin’ny 29 novambra 2016 ho fanomezan-dalana ny Fandaharan’asa ho amin’ny fanarenana ny tanànan’Antananarivo na PIAA. Fivoriana teo ambany Fitarihan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rakotomanana Honoré sy ireo mpikambana avy amin’ny birao maharitra.

Mitentina 40 tapitrisa Dolara Amerikana ny vola hamatsiana ny tetikasa ho fanatsarana ny Seha-panjakana na PAPSP. Mitentina 13 770 000 na 19 Dolara Amerikana ny vola hamatsiana ny tetikasa fanampiana hanavaozana ny Angovo na PARSE. Mitentina 25 tapitrisa Euros kosa ho an’ny Fandaharan’asa fampandrosoana hisian’ny fitoviana eo amin’ireo tanàn-dehibe eto Madagasikara na PADEVE ary mitentina 34,185 Euros ny vola hamatsiana ny Fandaharan’asa ho amin’ny fanarenana ny tanànan’Antananarivo na PIAA.

Taorian’ny nahalany ireo Lalàna ireo dia niatrika ireo Loholona Ramatoa Violett Kakyomya nanolotra ireo boky momba ny Torolalana mikasika ny andraikitra sy ny asan’ny parlemantera anivon’ny Andrimpanjakana.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT