Politique

Lapan’Iavoloha Nanorenana « hangar » hametrahana « jet »


  • Alakamisy 02 Jona 2016

Miampy isa ny fotodrafitrasa miorina eny Iavoloha, misy ny Lapam-panjakana eny. Anisan’ny zava-baovao eny izao ny fisiana « hangar »

 

, na tranoheva lehibe iray, izay raha ny loharanom-baovao dia hametrahana fiaramanidina mahazaka olona enina na valo, amin’ny karazany antsoina mahazatra hoe : « jet » irony. Efa vita izy io ankehitriny. Tsy natao resabe ny fanamboarana azy, fa nalefa mangingina tao, tsy mba toy ireny lazaina fa tetikasan’ny filoham-pirenena ireny. Ny fisian’io fotodrafitrasa io anefa dia toa manamarina ny resaka mandeha fa nividy fiaramanidina manokana ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina. Mandà mafy ny fisian’izany moa ny eo anivon’ny governemanta, tamin’ny alalan’ny minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro Ramanantsoa Benjamina Ramarcel, raha niara-dia tamin’ny praiminisitra Mahafaly Olivier tany Ambanja, tapa-bolana lasa izay. Mialoha an’io, efa nisy ny resaka nandeha fa misy ny « piste » ho ana fiaramanidina namboarina eny Iavoloha eny. Tohin’ny lôjika fotsiny avy eo ny fananganana hangar atao garazim-piaramanidina. Etsy an-daniny anefa, milaza ny hanokatra fanadihadiana mikasika an’io resaka fiaramanidina manokan’ny filoha io ny solombavambahoaka ka ho fantatra aorian’izay ny tena marina. Mandra-piandry izany dia miampy ihany ireo singa azo heverina ho porofo momba azy io. Ankoatra ilay “hangar” mantsy dia feno “cameras de surveillance” ihany koa amin’izao ny manodidina ny Lapam-panjakana eny Iavoloha. Hatreny am-pidirana ka hatrany an-dapa, rakotra. Farafahakeliny roapolo. Tato anatin’ny fotoana nampafanafana ny toe-draharaha politika, ka isian’ny resaka fikononkononana fanonganam-panjakana no nisian’ireto fitaovana fanaraha-maso ireo. Vonona izany ny fambara raha misy zavatra mampiahiahy eny manodidina, ho eo ampotomoty ihany koa ny fitaovana raha misy dia maika halehan’ny tandapa.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT