Tsy nanao famindram-pahefana araka ny efa nambarany tamin’ny filoha Rakotomamonjy Jean Max Rtoa Razanamahasoa Christine fa vadintany no nalefany nitondra ny lakilen’ny birao niasany tetsy Tsimbazaza sy ny fiara marika Citroen C6 nampiasainy rehefa tonga tany aminy ny vadintany nalefan’ny filoha vaovao.
Ny Sekretera jeneralin’ny eo anivon’ity Antenimieram-pirenena ity no nanara-maso ny zavatra rehetra ary notoloran’ireo vadintany izany lakile izany avy eo. Tetsy an-kilany, naharitra dia naharitra ny adihevitra mikasika ny resaka tsy fandriampahalemana tamin’ny ankapobeny manerana ny Nosy, fa tsy ho an’ny any Atsimo fotsiny ihany, tao anatin’ny vaomiera nitambaram-be ka nahatafatsanganan’ny “Comité Adhoc” notarihan’ny depiote Mara Niarisy avy any Ankazoabo Atsimo izay nandinika ireo tolo-kevitra rehetra omaly hariva sy anio ary hanolotra ny fehin-kevitra eo anoloan’ny fivoriana hitambarambe anio zoma harivan’ny 16 mey. Tsy mbola tontosa kosa ny maraina ny famindram-pahefana saika natao teo anivon’ireo kestora I mirahalahy mifandimby.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.