Hisokatra anio talata voalohany amin’ny volana mey ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Parlemanta
. Toy ny mahazatra dia anio maraina ny lanonam-panokafana eny amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza raha ny tolakandro kosa ny ao amin’ny Antenimierandoholona Anosikely. Azon’ny besinimaro atrehina ny fotoam-panokafana toy itony, saingy araka ny fandaminana eny Tsimbazaza dia tsy ho azon’ny olontsotra hatrehina izany anio. Ny antony dia noho ireo grevy sy fitakiana miseholany tato ho ka ahiana sao hihogahoga raha tafiditra ao. Hosivanina, araka izany, ny olona hiditra ao amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza, indrindra ny efitra fivoriana, anio. Rahampitso alarobia no hanaovana ny “conférence des présidents” hanapahana ny fizotry ny lahadinika eny Tsimbazaza. Andrasana amin’izany ny fandinihana ny lalàna hifehy ny asa fanaovan-gazety, sy ny fihaonana voalohany eo amin’ny solombavambahoaka sy ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier, hanolorana sy hamelabelaran’ity farany ny politika ankapoben’ny Fanjakana hotanterahin’ny governemantany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.