Omaly taoriana sy tao anatin’ny fivoriana tsy azon’ny besinimaro natrehana natao ny maraina teny Tsimbazaza dia nisehoana gidragidra niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana teo amin’ny CT isany Randrianasolo Nicolas sy Rajoelina Seta ny toe-draharaha.
Tsimbalivaly fitenenana tao anaty efitrano mikasika ny fiadiana tombontsoa ho an’ny CT no fototry ny olana. Tonga hatraty ivelan’ny Lapam-panjakana izany ary dia nifanenjan-tsandry mihitsy. Ny CT Nicolas Randrianasolo rahateo izay lazain’ireo namany fa sady maherihery fihetsika no mpanao ramatahora matetika eny Tsimbazaza eny. Nitohy ny tolakandro ny totohondry ary dia mbola ny CT Nicolas ihany no nifampitana indray koa tamin-dRakotonirina antsoina hoe Gringo. Nilaza ny CT Randrianasolo Nicolas fa «raha ao an’efitrano fivoriana aho no tenitenenina sy ifamaliana na ompaina mihitsy aza dia tsy mampaninona ahy, fa rehefa mivoaka eny ivelany no mbola arahina eson-teny dia tsy lefitro mihitsy izany». «Efa nilaza ombieny ombieny aho fa rehefa tsy mety amin’ny CT ny karama manodidina ny efatra hetsy sy iray tapitrisa ariary ankehitriny dia aleo miala», hoy hatrany izy.
Nangonin’i Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.