Alaina ny karama fa avela hangadihady eo ny efitrano fivoriana. Izany no sary hita etsy amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza ao anatin’izao fotoam-pivoriana ara-potoana voalohany sambany hatrehan’ireo solombavambahoaka vaovao voafidy farany teo.
Nimenomenona tamin’ny resaka karama sy tombontsoa rehetra tsy azony izy ireo tao ho ao ary mbola nazoto nivory tamin’izany. Rehefa nomena daholo kosa ireo ambim-bola rehetra dia iny no lasa ny ankamaroany ka zary mangadihady ny toeram-pivoriana. Ny hany azo leferina ho tsy tonga angamba dia ireo depiote lasa namita iraka manokana niaraka amin’ireo minisitra any atsimo noho ny hamehana ary koa ireo izay tena tsy salama mandamaka am-pandriana na any amin’ny hopitaly sanatria fa ny ambiny dia tokony hamonjy fivoriana avokoa fa izay no nifidianan’ny vahoaka azy. Anio aloha zoma manifika, koa asa na ho raikitra indray ny fivoriana miaraka amin’ny minisitry ny asa vaventy, araka ny fandaharam-potoana na tsia ? Ho hitantsika eo ihany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.