Politique

Lapan’i Mahazoarivo Niatrana am-bavabasy ny miaramila


  • Talata 22 Novambra 2011

Fanontaniana maro no tonga tao an-tsain’ny maro nanoloana ny zava-nisy omaly.

 Raha nifanao fotoana tamin’ingahy Beriziky ny mpanohitra notarihin’ny profesora Zafy Albert, izay nanolotra azy ho amin’izany toerana izany, dia tsy tao an-toerana ny praiminisitra fa ny mpanolotsainy manokana sy ny tale misahana ny fandraharahana sy ny fitantanam-bola no nisolotena azy teny. Ankoatra izay, raha tena nisy tokoa izany teritery nambarany tamin’ireo mpanohitra izany dia heverina kosa fa olon-dehibe ny tenany afaka manda izay hibaikoana azy, raha ny sori-dalana tokoa no mibaiko azy. “Matoa tsy tety i Beriziky dia mazava fa efa tsy miara-dia intsony amin’ny ankolafy”, hoy ny tenin’ny sasany tonga teny Mahazoarivo. “Izy mihitsy no tsy azo antoka fa toa manamarina ny ahiahin’ny ankolafy Ravalomanana”, hoy kosa ny hafa. Raha ny fandehan-javatra dia tsy to teny amin’ingahy Beriziky ny profesora, ary ny fahitana ireo miaramila niatrana am-bavabasy dia toa nampitamberina ireny fotoana namaivay teto amin’ny firenena ireny.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT