Politique

Lapan’i Mahazoarivo Mitohy ny fitakiana hamoahana ireo gadra politika


  • Alarobia 07 Desambra 2011

Tonga teny Mahazoarivo nilanja sorabaventy ireo fianakavian’ny gadra politika omaly.

Ny hihaona mivantana tamin’ny praiminisitra Omer Beriziky no dian’izy ireo teny, hanerena ity farany hamoaka tsy misy hatak’andro ireo gadra politika, sivily sy miaramila mbola voatana am-ponja. Noraisin’ny praiminisitra ny solontena, efatra avy amin’izy ireo, tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro, taorian’ny nitarihany filankevitry ny governemanta. Tsy nisy fandraisana fanapahan-kevitra teo no ho eo, fa dia nianona tamin’ny fifanazavana sy fitakiana. Milaza ny hanohy izao hetsika fitetezana tompon’andraikitra mpanapa-kevitra izao ireto fianakavian’ny gadra politika ireto mandra-pivalin’ny fitakian’izy ireo. Nizotra tamim-pilaminana ny hetsika nataon’izy ireo. Na izany aza dia miaramilan’ny Emmo-Reg efatra kamio no efa niatrana teny an-toerana io omaly io.

Nangonin’i Jean D.
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT