Nitsidika ara-pomba fifanajana ny praiminisitra Beriziky Jean Omer teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, omaly, ny iraka manokan’ny Sekretera jeneralin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe indianina (COI) Shafick Osman.
Ity farany izay manao fitsidihana arahin’asa, mifandraika amin’ny fanatanterahana ny sori-dalana, izay efa nankatoavin’ny SADC, hivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy. Sehatra roa no hiasan’ity iraka ity, dia ho fanatanterahana ny fanehoam-pahavononan’ny governemanta maorisiana sy aostraliana hanampy an’i Madagasikara amin’ny fanontana biletam-pifidianana miisa 33 tapitrisa. Ny lafiny faharoa dia mikasika ny fanjarian-tsakafo. Voaresaka nandritra ity fihaonana teny Mahazoarivo ity ny mikasika ny famatsiam-bola hanatanterahana ny fifidianana, izay efa miha manakaiky io. Saika mbola mihidy mantsy ny loharanom-bola ivelany, ireo mpiara-miombon’antoka vahiny hafa indray miandry antoka amin’ny firoson’ny fanatanterahana ny tondrozotra.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.