Zary tany fady ireo minisitra mpomba an-dRajoelina ny Lapan’i Mahazoarivo tato ho ato. Manao tsidi-pahitra, zara raha miatrika filankevitry ny governemanta.
Araka ny loharanom-baovaonay dia efa herinandro maromaro no tsy niatrika filankevitry ny governemanta ny minisitry ny serasera, Harry Laurent Rahajason. Efa vaky vava an’izany mihitsy hatramin’ny praiminisitra aza, tao anatin’ilay raharaha mafampana mikasika “bois de rose” nanaovan’ny DST be midina tany Mananara Avaratra farany teo. Raha ny hita aloha dia mazoto mitety faritra sy mizara fitaovana ho an’ny TVM sy ny RNM ingahy minisitra, angamba mihevitra fa tsy dia misy antony ny fanatrehana ny filankevitry ny governemanta. Mety misy ny tsy fahafahana manatrika fivoriana tampoka, mety misy ny tsy fahasalamana, mety mamita iraka any ivelany na mba voatana any amina fitsidiham-paritra koa ny minisitra iray fa ny hoe tsy manatrika fivoriana efa ho am-bolana kosa aloha, raha atambatra, dia tsy mety sy tsy mendrika ihany. Zava-dehibe anefa no dinihana sy tapahana anatin’izany filankevitry ny governemanta izany, ary ny hevitra ifanekena ao no aroso eo amin’ny filankevitry ny minisitra. Tsy dia mahagaga ihany aloha ity fihetsiky ny minisitry ny serasera ity satria na ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina koa aza dia toa mahita hevitra hialana bala, tsy hitarihana ny filankevitry ny minisitra, tato ho ato izay, na dia fantany tsara aza fa misy ny fanapahan-kevitra mila raisina maika.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.