Politique

Lapan’Anosikely Nisy nandoto rano !


  • Talata 13 Septambra 2011

Teo an-dalam-pitadiavana sy fifampizarana ny marimaritra iraisana iny indrindra no nivoaka ny efitrano nivoriana tampoka ny Les AS notarihan’ny filohany, Voninahitsy Jean Eugčne sy ny mpandrindra ny V6 Manantsoa Victor ary mpikambana amin’ny V6 maro hafa.

 “Nisy nandoto rano sy nanakorontana tao”, hoy ny fanazavana azo. Saika rafitra mihitsy ny totohondry raha nisy kely. Araka ny fanazavana azo tamin’ireo nivoaka ny efitrano dia nisy nitonona ho solontenan’ny Les AS tao anaty trano ary sahy nanivaiva an’i Voninahitsy mihitsy nefa efa tsy mpikambana ao amin’ity vondrona ity intsony. Nanazava, araka izany, ny mpandrindra ny Vondrona 6 nanao sonia ny dina repoblikanina, Manantsoa Victor fa fotoana natao hihainoana ny tatitra rehetra tamin’ny asa natao io omaly hariva io. Nisy ny tatitra nataon’ny V6 izay avy nifampidinika tamin’ny Ankolafy telo, nisy ihany koa ny tatitra nataon’ireo komity politika avy eo anivon’ny governemanta. Nahagaga ihany, hoy ny profesora Manantsoa Victor taorian’izay, satria voalaza fa nisy fivoriana nataon’ny V8 ny maraina kanefa ny V6 aza nivory teny Analamahitsy. Nanamafy anefa izy ireo fa solontena telo isaky ny vondrona ihany no afaka manatanteraka fivoriana ka nahatalanjona azy ireo ny namoronana sy niantsoana olon-kafa tsy voatendry akory. Olona izay natao hampiteraka fihantsiana sy fanakorontanana fotsiny ihany.

Ho an’i Voninahitsy Jean Eugène dia misy mihitsy ireo tsy faly noho ny fihaonan’izy ireo amin’ny Ankolafy telo, izay efa nifanarahana. Notsindriany manokana tamin’izany i Marson Evariste izay nambarany fa nanondro azy ireo ho nihaona manokana tamin’ny Ankolafy telo. Nilaza mazava ity filohan’ny Les AS ity fa raha tsy ny filohan’ny FAT mihitsy no mampivondrona ireo hery rehetra dia tsy hisy resaka hanjary, satria hita soritra ny fampizarazarana ny vondrona rehetra ankehitriny. Milaza ny hametraka sy hamaritra tsara izay olona hotendrena hanatanteraka ny fifampiresahana sy fivoriana rehetra atao ireto V6 ireto vao hanapa-kevitra ny fanohizana ny fivoriana indray. Ireo mpandinika politika kosa mahita fa tsy te handrava io governemanta misy, izay tarihin’ny jeneraly Camille Vital io intsony ny UDR-C sy ny TGV ka manao letrezana. I Andry Rajoelina rahateo efa nilaza ny maraina fa hosoniavina amin’ny 16 septamba ny sori-dalana na iza vonona na iza tsy vonona. Tsy mahagaga raha ireny no zava-mitranga.

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT