Politique

Lapam-panjakana Tsimbazaza Tsy heno pika ny fiafaran’ilay fivoriana tsy ara-potoana


  • Alakamisy 01 Septambra 2011

Nifarana tamin’ny talata teo raha ny marina ny valo andro farafahabetsany naharetan’ilay fivoriana tsy ara-potoana faha-3 natrehan’ireo parlemanta roa tonta nandinihana ny volavolan-dalŕna mikasika ny fifidianana.

 Hatramin’ny omaly alarobia 31 aogositra anefa dia tsy heno popoka izay tena niafaran’izany fivoriana izany. Ny heno fotsiny dia hoe nolanian-dry zareo eny Anosikely sy Tsimbazaza ilay volavolan-dalàna 012/2001 mikasika ny fifidianana kaominaly sy rejionaly. Hatramin’ny alatsinainy nahenoana ny loza tany Soanierana Ivongo sy nisian’ny fivorian’ny Raiamandreny Mijoro teny Ivato dia nangina tanteraka teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza.

Dobodoboky ny fitaovan’ny mpanao trano no heno eny satria misy fanamboarana atao eny amin’ity toerana ity, dia ny fandrakofana “carreau” vita amin’ny “marbre” manodidina ny trano lehibe fivoriana sy ny ao anatiny rehetra. Misy tokoa ny vola ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ao. Tsy misy mimenomenona ny amin’izay vola very teo aloha intsony ireo CT fa mahazo ara-dalàna ny tombontsoany tsirairay avy ary mbola afaka manao itony fanatsarana goavana ao an-dapa itony.

 

Manohy

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT