Politique

Lapam-panjakana Iavoloha Nanamboarana seranam-piaramanidina ?


  • Alatsinainy 23 Mey 2016

« Tsy hitako mihitsy izay ilana seranam-piaramanidina manokana eny amin’ny lapan’i Iavoloha.

Seranana ho an’ny angidimby dia ampy raha tsy hoe misy antony manokana ilàna zavatra takontakona angamba any ho any raha marina ny fisiany », hoy ny komanda Rabarilala Rado, mpanamorin’ny Air Madagasikara manoloana ny resaka mandeha be fa nanangana seranam-piaramanidina manokana ho azy eny amin’ny lapan’i Iavoloha ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery. « Mandany vola betsaka anie izany. Tsy ireo seranana toy ny any Toamasina ve no halavaina raha misy ihany ny vola dia mba afaka mandray sidina lehibe izy amin’izay », hoy hatrany ity mpanamory ity. Taorian’ilay resaka momba ny nahazoan’ny filoham-pirenena fiaramanidina manokana ho azy Falcon 900X dia ity resaka seranam-piaramanidina eny Iavoloha ity indray no malaza. Tsy azo anaovana sidina moa eo ambonin’io lapa io ka ho sarotra ihany ny hitondra porofo ny amin’ny fisiany marina na tsia saingy efa tsy afaka eo am-bavan’ny mpanara-baovao ilay izy. Nandritra ny tafa fohy nifanaovana tamin’ny komanda Rado, izay tsy mbola tafaverina amin’ny asany hatramin’izao efa ho herintaona izay, dia nanamafy ny tenany fa mitohy ny tolona sy fitakiana ny zo izay efa nomen’ny fitsarana azy na dia mbola manao be marenina amin’ny didim-pitsarana hatrany aza ny Air Mad. « Misy ifandraisany amin’ny fikasana hivarotra ny kompania ankehitriny ihany ny tsy famerenana any amin’ny asanay satria anisan’ny efa tsinjonay hatrany am-piandohana io ka toherinay », hoy ny komanda Rabarilala Rado namarana ny teniny.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT