Politique

Lapam-panjakana Iavoloha Ho avy eny i Dada


  • Alarobia 04 Janoary 2017

Hotontosaina ny 6 janoary 2017 eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny lanonana fifampiarahabana tratry ny taona vaovao eo amin’ireo andrimpanjakana Malagasy miaraka amin’ny solontenan’ireo firenena manana masoivoho miasa sy monina eto Madagasikara.

 

Niteraka ady hevitra teo anivon’ny fiaraha-monina hatrany rahateo ny tetibola natokan’ny fiadidiana ny Repoblika ho an’ny asaramanitra fiandohan’ny taona. Nampasiaka manokana ny vahoaka Malagasy rahateo ny isan’ireo vahiny manan-kaja nasain’ny filohan’ny Repoblika mivady tamin’ny herintaona izay nahatratra 1.500 be izao. Tsy niova firy tamin’ny raikipohy nanatontosana ny hetsika tamin’ny taon-dasa moa ny fanomanana tamin’ity taona ity. Hanodidina ny 1.400 kosa ny isan’ireo olo-manan-kaja handrasana eny an-toerana, araka ny tsilian-tsofina mandeha. Hanome voninahitra ity lanonam-panjakana eny Atsimondrano ity moa ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc izay nahazo fanasana hanatrika izany, araka ny fampitam-baovao heno omaly. 

Ramano F.  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT