Mitohy ny sangodim-panina politika herinandro aty aorian’ny nitsanganan’ny Parlemanta, ary tena marina sy mitombina ny tombantomban’ny rehetra fa ao anatin’ny CT sy ny CST no tena hafotaka ny adilahy politika.
Azon’ny ankolafy Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy amin’ny ambongadiny ny fitantanana ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, raha toa ka nahatafiditra an’i Mamy Rakotoarivelo ho filohan’ny Kongresy kosa ny mpanohitra tamin’ny alalan’ny ankolafy Ravalomanana. Tsy mijanona eo anefa ny resaka fa mbola mitohy. Nitranga sahady ny olana tao anatin’ny andro voalohany nivoriana teny amin’ny lapan’Anosikely satria avy hatrany dia nivoaka ny efitrano ireo CST avy amin’ny ankolafy Ravalomanana omaly, niala ny velapandrika nataon’ny mpomba ny FAT hampankato ambongadiny ny sori-dalana, hisandohana eo anatrehan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa ankatoavin’ny ankolafy politika rehetra ao anaty Parlemanta, nefa tsy ampiharin’ny mpitondra akory fa tanterahiny amin’izay mahamety azy. Hentitra ny Zanak’i Dada fa «tsy hiray tsikombakomba amin’izany !». Nanazava ny Maitre Hanitra Razafimanantsoa, nitondra teny azy ireo fa tsy hita taratra ao amin’ity andrim-panjakana misy azy ireo ity mihitsy ny fiaraha-mitantana takian’ny tondrozotra, ary tena be loatra ny zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy.
Navoitrany fa didy hitsivolana efa lany andro no nampiharina nentina nifidianana ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitry ny CST. Hentitra ny ankolafy Ravalomanana fa dia tsy hanatrika fivoriana sy tsy handray anjara amin’ny fanapahan-kevitra ao anatin’ny CST mihitsy raha tsy miova ny fomba fiasa ary tanteraka tsy misy fepetra ireo rehetra voasoratra ao anatin’ny tondrozotra, indrindra ny handraisana fanapahan-kevitra hisian’ny fitoniana politika sy sosialy eto mialoha ny adihevitra. Mety hitovitovy amin’izany ihany koa no hitranga eny amin’ny Kongresin’ny tetezamita na dia hiova endrika kely aza. Mbola mihenjan-droa ihany izany ny tady hatramin’izao ary tena miha mazava amin’izay ny resaka fa ankolafy roa no tena mifanandrina eto dia ny ankolafy Ravalomanana sy ankolafy Rajoelina, izay samy manana olona anatin’ny rafitra tetezamita rehetra amin’izao fotoana.
Ny ankolafy Zafy sy Ratsiraka mantsy dia tsy manana solontena ao amin’ny CT sy ny CST, hany ka karazan’ny mitazana ety ivelan’ny kianja fotsiny ihany aloha hatreto. Olona miisa 87 ny avy amin’ny ankolafy Ravalomanana eny amin’ny CT sy ny CST. Tsy hoe maro an’isa izy ireo raha ny fijery azy, saingy hita dieny izao aty am-piandohana izao, fa afaka mampiseho ny heriny ary tsy azo tsinontsinoavina. Resaka ambony latabatra no misy amin’izao fotoana. Raha tsy manatrika fivoriana na tsy mety manangan-tanana mantsy ireto Parlemantera Ravalomanana ireto dia tsy azo ampanantsoina eny Betongolo sy Fiadanana intsony na samborina fa tsy maintsy resahana sy resena lahatra eny ho tambatambazana aza, efa olom-boatendry anatin’ny tetezamita izy ireo ankehitriny fa tsy mpanohitra ety ivelan’ny kianja intsony. Azo antoka fa efa namolavola paik’ady vaovao ireto zanak’i Dada anaty tetezamita ireto ka tena hanao izay rehetra hampiharana ny tondrozotra, tahaka ny famoahana ny gadra politika, ny fampodiana ireo sesitany ary ny fanokafana ireo haino aman-jery rehetra nakatona, hisian’ny fitoniana mialoha ny adihevitra rehetra sy izay ho fanapahan-kevitra raisina manaraka izany. Ho henjankenjana ihany, araka izany, ny adihevitra kanefa tsy maintsy karohana ny marimaritra iraisana mba hampandroso ny asan’ny tetezamita.
Nikoropaka ry Dolin Rasolosoa sy ny teo anivon’ny birao maharitry ny CST tarihiny, teo anatrehan’ity fisintahana ka nivoahan’ny CST zanak’i Dada ny trano fivoriana omaly maraina ity. Nihidy aman-trano avy hatrany izy ireo nandinika ny tokony hatao sy ny fepetra tokony horaisina. Taorian’izay dia fantatra fa nandefa iraka maika teny Tsimbazaza teny. Ny teny izay teo ampiomanana handatsa-bato hifidianana izay ho filohan’ny Kongresin’ny tetezamita. Araka ny fantatra dia nisy ny toromarika nomena ireo olom-boatendry mpanohana an’i Andry Rajoelina, handatsa-bato ho an’i Mamy Rakotoarivelo, fa mafy ny tsindry ataon’ny sehatra iraisam-pirenena. Manamafy ny fisian’izay toromarika izay ny fanehoan-kevitra nataon’i Voninahitsy Jean Eugène taorian’ny latsa-bato ka tsy nahavoafidy azy ho filohan’ny Kongresy. Niaiky ny filohan’ny CST fa tsy mety ny firafitry ny birao maharitra, ary dia nandroso soso-kevitra amin’ny tokony hampitomboana isa ny mpikambana ao hahafahana mampiditra ny avy amin’ny mpanohitra izy. Raha izay anefa no izy dia tsy maintsy kitihina ilay didy hitsivolana nampiasaina nifidianana ny birao ankehitriny, didy hitsivolana izay notakian’ny ankolafy Ravalomanana ny nanovana azy nialoha ny nirosoana tamin’ny fifidianana nefa nanaovana be marenina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.