Politique

Lapa Maitso Anosikely Hanadina ny Praminisitra Beriziky ireo CST anio


  • Talata 31 Janoary 2012

Raikitra izany fa dia ho avy ao amin’ny Lapa Maitso Anosikely ny Praiminisitra Jean Omer Beriziky, anio, hifanatrika amin’ireo mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST).

 Tamin’ny zoma 27 janoary tolakandro no tokony ho notanterahina ity fihaonana ity saingy anio izany vao malalaka ny praiminisitra. Araka ny tapaka nandritra ny fivorian’ny Vaomiera itambarambe notanterahina ny alakamisy 26 janoary 2012 lasa teo teny anivon’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita fa dia hantsoina hifanatrika sy hifanazava mikasika ireo raharaha mafampana eto amin’ny firenena sy ny lalana hivoahana amin’izao krizy izao ny praiminisitra sy ireo mpikambana amin’ny Komity manokana mpanaramaso ny fampiharana ny tondrozotra eny anivon’ny governemanta. Ao anatin’ny vaomiera itambarambe no hanatanterana ny fihaonana saingy tsy ho azon’ny besinimaro hatrehina fa hihidy aman-trano, araka ny loharanom-baovao eo anivon’ny Lapa Maitso Anosikely.
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT