Nampivarahontsana ny mpanara-baovao ny nahita ilay sarin’ilay raim-pianakaviana iray maty notapahan-doha tany amin’ny faritr’i SAVA iny ny faran’ny herinandro teo
. Lolom-po niotrika ve sa valifaty noho ny zava-nisy teo amin’ny fiarahamonina ? Ny fanadihadiana misokatra no hahafantarana misimisy kokoa ny marina momba iny raharaha iny.
Fa raha iny no vaovao nanaitra tany Avaratra dia ny fifamelana teo amin’ny zana-poko Zafindravala sy Antevondro avy amin’ny foko Bara, izay notontosaina tao Betroka kosa no nanamarika ny tany Atsimo efa ho herinandro vitsivitsy izay. Fampihavanana izay tontosa noho ny ezaky ny mpiray dina. Eto afovoan-tany kosa indray dia ny raharaha fitifirana olona tany Ankaraoka Anjozorobe sy ny resaka tany nisy namefy tetsy Anosizato no malaza. Tsy inona no antony itanisana izany fa misy antony ara-piarahamonina iray izay tena mahafaoka ireo tranga ireo dia ny tsy fisian’ny lalàna manaraka ny toetr’andro ampy hahafehy tsara ny fiarahamonina ary eo ihany koa ny fitavozavozan’ny mpitondra amin’ny fampiharana ny lalàna anaovana mizana tsindrian’ila, hany ka tsy ananan’ny olona fitokisana. Tsy atahorany sy tsy hajainy intsony sady tsy raharahiany na tsy fantany aza ny zo sy adidy ary ny andraikitra mamatotra ny tsirairay amin’ny fiarahamonina misy azy, ka samy manao izay maha diavolana ny sainy. Etsy an-kilany, ny mahalala manararaotra ny fahabadoan’ny hafa ka feno fitapitaka ny fiarahamonina. Mila ezaka eo amin’ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny fiarahamonina mba hifanaraka amin’ny toetr’andro fa tsy lalàna efa tamin’ny Repoblika voalohany dia mbola mihatra ihany amin’izao efa andron’ny fanatontoloana izao. Na ny any ambanivohitra aza dia mahita fa marina kokoa ny fitsaran’ny dina izay afaka mihaino karazana vavolombelona samihafa noho ny fitsaram-panjakana izay matetika mandringa sy sarotra tanterahina noho izy miantehitra manontolo amin’ny taratasy. Mila mivoatra.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.