Matoam-baovao indray anio ny lanonam-panjakana fifampiarahabana ny taona vaovao 2017 eo amin’ireo andrim-panjakana Malagasy miaraka amin’ireo solontena masoivohon’ireo firenena vahny sy fikambanana iraisampirenena miasa sy monina eto Madagasikara.
Tsy asiana teny lava intsony ny fandaniana ara-bola amin’ny fiaraha-misakafo natokana hoan’ireo olo-manan-kaja an’arivony voaasa eny Iavoloha. Hahaliana ny mpanara-baovao amin’ny ankapobeny kosa ireo lahateny hifandimbiasana eny an-toerana. Miandry fatratra ny vontoatin’ny kabarin’ny filohan’ny Repoblika rahateo ny vahoaka Malagasy izay diso fanantenana ihany tamin’ny resaka nataon’ity farany ny alin’ny 31 desambra 2016.
Fampanantenana poakaty
Asa mivaingana tokana nisongadina nambaran’ny filoha Rajaonarimampianina Hery tamin’ny kabary nataony ny 8 janoary 2016 ny fanamorana ny fikarakarana ireo taratasy tany fandovana. Maro kosa ireo fampanantenana tsy tanteraka mba tsy ilazana ho poakaty nandritra iny 12 volana nivalona iny. Voalohany amin’izany ny fikasana hametraka ny fitoniana politika izay antoka tokana ho fampandrosoana ny firenena, araka ny nolazainy herintaona lasa izay. Nanjaka anefa ny fanampenam-bava sy fisamborana ireo mpanao politika tsy mitovy firehana amin’ny antokom-panjakana. Nankalazain’ny filoha am-perinasa ihany koa ny fanaovana tomban’ezaka isaky ny 3 volana saingy tsy nahenoana tatitra mihitsy ireo ezaka notontosain’ny fahefana mpanatanteraka tamin’ny taona 2016. Nolazaina torak’izany ny fanamboarana na fanarenana ireo lalana manerana ny nosy izay nanokanana tetibola 450 tapitrisa euros nefa mikaikaika tanteraka amin’ny haratsin’ny fotodrafitrasa ireo mpampiasa izany.
Lesona mavaivay
Kabary iray tena nanamarika ny be sy ny maro tamin’ny taona 2016 kosa ny lesona mavaivay nomen’ny masoivoho marokanina ny mpitondra Malagasy. Voambolana tsy fampiasa firy ao Maraoka ny hoe «fianakaviambe iraisampirenena», «mpamatsy vola», na koa «tahiry eoropeanina momba ny fampandrosoana», hoy ity farany tamin’izay. Tsy mila miankin-doha amin’ireo famatsiambola na fanampiana avy any ivelany ny fanjakana Malagasy. Tsy misy afa-tsy ny harenan’ny firenena miaraka amin’ny asan’ny olom-pirenena ihany no mampivoatra ny fiaraha-monina iray, hoy hatrany ny lahateniny ny 8 janoary 2016.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.